Ny Kombava izay antsoina amin'ny anarana siantifika oe Citrus Hystrix dia karazam-boasarimakirana. Ny hazony dia fohy ary ny hodiny dia marokoroko.I Azo tamin'ny famohasana, fitetitetehana ary fanamainana ary fitotoana azy ny Kombava.
Ny fofony mamerovero sy ny tsirony mahery ary tena tsara no tena mampiavaka azy. Afaka ampivadiana amin'ireo fanito sian-karazany izy.
MOMBAMOMBA AZY
- Manampy amin'ny fakàna aina
- Mety manampy raha misy fivontosana
- Manampy y fandevonan-kanina
FAMPIASANA AZY
- Ho ana zava-pisotro manala havizababa: asio Kombava vovony 1/4 sotrokely ao anaty kaopy ary ampio rano mahamay. Andraso 5 minitra dia ho vonona.
- Raha hanao dite Kombava Sakamalaho dia raraho sakamalaho vovony 1 sotrokely sy 1/4 sotrokelina kombava ao anaty kaopy ary asio rano tena mahamay. Avelao hilona 5 minitra ary dia ho vonona.
- Raha manao sakafo ho an'olon-droa dia mampiasà 1/2 sotrokely kombava vovony mandritra ny fandrahoana ary 1/4 sotrokely kosa raha atao anaty saosy ho an'ny salady.
- Silasilaho ny voankazo ary andraraho kombava vovony kely ny silany tsirairay.
- Raha hanao "smoothie" dia afangaroy amina yaourt avy amin'ny soja ohatra ny kombava 1/2 sotrokely ary ahodino mandritra ny 1 minitra ao anaty "mixer".
- Afala ampiasaina ao anaty saosy isan-karazany satria mivady tsara amin;'ny sakay sy sakamalaho.