Ny Voatsiperifery dia anisan'ireo fanito tsy fahita indrindra erak'izao tontolo izao. Mandady amina hazo avo izay mahatratra 20m izy ary anaty anatin'ny ala tropikalin'i Madagasikara ihany no ahitana azy.
Tena manitra ary tsy manam-paharoa ny tsirony sy ny fofony. Maivamaivana ary tsy dia masiaka. Ny kalitao ambony indrindra no atolotray eto ary manaraka fepetra mazava ny fisivanana azy: haben'ny voany ary ny fofona ananany. Malaza eran-tany noho ny fofony tsy manan-tsahala izy ity.
Fampiasa mba hanamanimanitra sakafo ny Voatsiperifery.
MOMBAMOMBA AZY
- Manampy ny fandevonan-kanona
- Manampy miady amin'ny bakteria
- Manampy raha sendra kibo mizihitra
- Manampy amina karazana aretin-kibo isan-karazany
- Manampy amin'ny fitaizana vatana
FAMPIASA AZY
- Afaka ampiasaina amin'ny fikarakarana voankazo nofintsaina, vinaingitra, menala ary ny sakafo masira rehetra.
- Manoro hevitra ny hitotoana azy amin'ny fotoana tena hampiasaina azy izahay mba hiarovana ny fofony.
- Tsara ihany koa amin;ny voakazo toy ny: frezy, voankazo an'ala, voatango.