Namorona ity boaty ity izahay ho an'ireo tena tia tamotamo ary mampiasa izay amin'ny fiainana andavabandro mba hikolokoloiny ny fahasalamana.
Mitahiry tamotamo vovony ary ranony ny fonosana iray mba ahafahana misafidy izay mety kokoa arakaraka izay hampiasàna azy.
Ny ao anatiny:
- 1 kitapo kely mitahiry tamotamo vovony 40g
- 1 tavoahangy kely 10ml mitahiry tamotamo ranony
"Curcumin" no anaran'ny hery manokana maha izy azy ny tamotamo. Io no mahatonga azy manampy ny vatana hitàna sy manala fivontosana ary efa be ireo fandalinana nataon'ny manam-pahaizana mampiseho ny mampandaitra azy tokoa sy mahasoa azy eo amin'ny fahasalamana.
Anisan'ny ireo akora fampiasa amin'ny raik'andro sy fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara ny tamotamo. Fampiasa izy matetika ho an'ny:
- fampihenana ny asidra mandoro ambava-fo
- fanampiana ny fandevonan-kanina
- fanamainana fery
- fampitsaharana aretin'an-doha
- fampitsiranohana rà
Ny tamotamon'i Madagasikara izay amidinay dia manana tsiro malefaka ary tena manitra, hany ka afaka ampiasaina ao anatin'ny sakafo rehetra ary ao anaty zava-pisotro isan-karazany ihany koa. Ny anisan'ny mahatsara azy koa dia tsy misy fotoana manokana mampety azy fa mety foana na voky ianao na noana.
Dipoavatra mainty, sakamalaho ary bromolinina (ao anaty mananasy) no anisan'ireo akory manampy mitahiry azy ao anatin'ny vatana ary manampy azy kokoa handray izany. Afaka ampiasaina ao anatina saosy ho an'ny salady na voamaina, vary sy laoka isan-karazany ary zava-pisotro koa. Matetika dia ampiasain'ireo mpanao mofo sy mofomamy ary paty na zavatra maro hafa koa izy io.