Hoditra Kombava voatetitetika ary nohamainina. Asa-tànana amin'ny alàlan'ny antsy no amohasana ireo kombava ireo mba ho ilay ampahany maitso ihany no azo. Izany no natao dia mba ahazoana ny fofony sy tsirony tsara indrindra, fahita matetika eo amin'ny nahandro any amin'ny ranomasim-be Indianina ny kombava. Tsy azo adino tokoa izy raha te hanao nahandro tena miavaka ary mamerovero na rehefa mikarakara zava-pisotro sy rony ary saosy isan-karazany ohatra.
MOMBAMOMBA AZY
- Fofona mampiavaka ny voasarimakirana
- Mitahiry vitaminina C
- Mampitàna
- Fampiasa rehefa manadio aty
- Mety amin'ny nahandro rehetra
FAMPIASANA AZY
- Fanaovana dite na tambavy: Asio silany roa ao anaty kaopy ary asio rano mahamay. Afaka 5 minitra dia vonona ary afaka haroso mafana na mangatsiaka.
- Raha hanao saosy dia arotsahy anatin'izay fangarony ny kombava 2cm eo ho eo ary avelao hiketrika miadana mba hifangaro tsara ny fofony. Rehefa marihidrihitra ny saosy dia afaka esorina ny kombava ary aroso ny sakafo.
- Raha hanao rony maivana dia ampangotrahy miaraka amin;ny kombava izay fangaroony efa nihomaninao mandritra ny 10mn rehefa manomboka mangotraka. Afaka esorina izy rehefa azo ny tsirony notadiavinao.
- Toaka mamy sy kombava: asio hoditra kombava 100g ao anaty tavoahangina vodka 1/2L ary avelao hilona mandritra ny roa tokom-bolana lavitry ny hazavana ary ahotsakotsahy tsindraindray. Rehefa dila io fotoana io dia sivano ilay toaka mba hanesorana ny kombava ary ampio siramamy 1/2 ana siramamy ranony.