Hoditra Kombava sy sakamalao maina organika
Ny Kombava dia karazana voasarimakirana misy hanitra mamerovero indrindra izay mampatsiahy ny fifangaroan'ny lime amin'ny veromanitra. Tsy manam-paharoa ny fofony ary ahazoana zava-mahasoa ara-pahasalamana marobe izy io.
Manampy amin'ny fanadiovana ny aty, manampy ny rafi-pandevonan-kanina, mahamaivamaivana raha reraka, mahatsara ny fahasalaman'ny ati-vava, manamafy ny hery fiarovan'ny vatana, mampihena ny mariky ny taona sy ny mony amin'ny tarehy, manampy amin'ny fitazomana volo mangirana rehefa ampiasaina amin'ny kosmetika.
Ny Sakamalaho kosa dia fantatra amin'ny tombony ara-pahasalamana maro. Ohatra, manampy manala fivontosana, be otrikaina, mandevo-kanina, manamaivana ny fanaintainan'ny fadim-bolana, manampy amin'ny fisaleboleboana.
Ity fitambaran'ny Kombava sy Sakamalaho ity dia manome hanitra tena kanto amin'ny tambavy azo avy aminy ary azo sotroina amin'ny fotoana rehetra.
Toro-làlana hampiasaina azy:
Asio singany 2 an'io tambatra io ao anaty kaopy. Ampio rano mafana dia aleo hilona 4 na 5 minitra, izay dia vonona ny tambavy.
Toro-hevitra:
Azo ampiasaina koa izy io hanomanana lasopy sy saosy mamerovero. Asio Combava sy Sakamalaho iray sotrokely anatin'izay sakafo andrahoinao na saosy ataonao dia tohizo ohatran'ny mahazatra ny fikarakarana.