Marihitra ary tsy mitapoka ny foto-tamotamo atolotray eto. Teknika avo lenta vaovao izay manodina ny akora amin'ny hafana tena ambany mba tsy hanova ny fofony no nampiasaina teto.
Ity no endrika mahery indrindra isehoan'ny tamotamo
Kely dia kely no ampiasaina aminy ary manitra sy masiaka ny tsirony.
MOMBAMOMBA AZY
- Manampy manala fivontosana
- Mampitàna ny vatana
- Manatsora rà
- Manamafy ny hery fiarovan'ny vatana
FAMPIASA AZY
- Atao fangarony amin'ny fanaovana mofomamy isan-karazany, vary, paty, legioma sy voamaina ary saosy.
- Arotsahy amin'ny faraparan'ny fandrahoana ny sakafo izy mba hitazonana tsara ny fofony.
- Rehefa mampiasa tamotamo ao anaty sakafo masira dia asio voatsiperifery izay manampy azy hijanona ao anatin'ny vatana.
- Raha manao sakafo mamimamy dia ampio sakamalaho kely ny tamotamo mba hitazomana kokoa ny tamotamo ao anaty vatana.
- Ny bromolinina izay ao anaty mananasy ihany koa dia manampy mitazona azy ao anaty vatana.
- Tsara indrindra raha hanao "golden milk" ianao. Asio foto-tamotamo indray mitete tamotamo ary foto-tsakamalaho indray mitete aoa naty kaopy ary tapohy rononona soja tena mafana ohatra ary hamamiho araka izay itiavanao azy.