Ny lavanilina izay mitondra ny anarana siantifika oe Vanilla planifolia dia karazana voninkazo Orkide, Ny tahony no fanito antsoina amin'ny anarana oe Lavanilina.
Misy kalitaona lavanilina isan-karazany. Ilay kalitao avo lenta indrindra no atolotray eto. Tahony manitra sy malefaka ary mahatratra ny 16 cm avokoa izy ireo. 1,4 - 1,6% no habetsahana vanilinina ao anatiny ary voasokajy ho tena avo izany.
Manana lavanilina vovony ihany koa izahay. Natao avy tamina tahony nahodina ho lasa vovony izy.
Amin'ny fanaovana mofomamy sy lagilasy ary zava-pisotro mamy sy nahandro avy eny amorontsiraka no tena ampiasàna azy. Miavaka ny fofony, tena manitra ary manome tsirony malefaka amin'ny sakafo izay asiana azy.