Ny Kombava dia ao anatin'ny fianakavian'ny voasarimakirana ary antsoina amin'ny anarana siantifika Citrus Hystrix.
Azo avy amin'ny fanodinana ny raviny ao anaty alambika izy ity. Manitra mamerovero ny fofony.
MOMBAMOMBA AZY
- Manampy amin'ny fivontosana na raha sendra hozatra mangotsoka
- Manamoy amin'ny aretin'ny vanin-taolana mangotsoka
- Manampy amin'ny fanalàna havizanana
- Manampy y fandevonan-kanina ary manadio ny aty
- Manamanitra ny sakafo rehetra
FAMPIASANA AZY
- Ho an'ny menaka fanorana: raraho 5 tete ana ilofotony Kombava ao anaty menaka tsy misy fofona 100ml
- Raha sendra tebiteby na tsy mahita tory dia asio 1 tete ana ilofotony kombava eo amin'ny taho-tànana anaty
- Ho an'ny fikolokoloina volo: asio 2 tete ana ilofotony kombava ny savony fanasana loha
- Raha hanamanitra efitra iray dia asio 4-5 tete ana ilofotony kombava ao anaty vata fanaovana entona
- Hevoka: 3 tete ana ilofotony anaty rano iray vilany
- Rehefa mahandro: asio 4 tete ana ilofotony ao anaty sakafo ho an'olona 5
FAMPITANDREMANA
Tsy tsara ampiasaina ho an'ny vehivavy behovoka latsaky ny 5 volana sy ireo zaza tsy ampy 3 taona