Marihitra ary tsy mitapoka ny foto-tsakamalaho atolotray eto. Teknika avo lenta vaovao izay manodina ny akora amin'ny hafana tena ambany mba tsy hanova ny fofony no nampiasaina teto.
Ity no endrika mahery indrindra isehoan;ny sakamalaho
Kely dia kely no ampiasaina aminy ary manitra sy masiaka ny tsirony.
MOMBAMOMBA AZY
- Manampy raha sendra misalebolebo
- Manampy karazana aretim-bavony samihafa
- Manamopy amin'ny fanalàna fivontosana
- Mampatanjaka
-
FAMPIASANA AZY
- Raha hahandro ho an'olon-droa dia asio 2 tete ao anaty sakafo andrahoina ary hahery tsirona sakamalaho ny skafonao (andramo amin'ny vary amin'anana)
- Asio foto-tsakamalaho indray mitete ao anaty zava-pisotro ka ho mahery tsiro sy ho manitra sakamalaho izy.
- Afaka ampiasaina ao anaty fangarona saosy ihany koa izy.
TOROHEVITRA
- Ao anaty sakafo ho an'olon-droa: asio foto-tsakamalaho ranony indroa mitete amin'ny faran'ny nahandro.
- Asio foto-tsakamalaho indray mitete ao anaty zava-pisotro tena mafana iray kaopy ary hamamiho araka izay itiavanao azy
- Afaka anaovana saosy isan-karazany ihany koa.