Ny Ravintsara, izay fantatra amin'ny anarana siantifika oe Cinnamomum camphora amin'ny teny Malagasy dia mitondra io anarana io noho ny zava-mahasoa maro dia maro tehiriziny. Mampahatsiahy fofona Eucapuptus ny fofony. Anaty anaty ala tropikalin'i Madagasikara ni tena ahitana azy. Azo ambolena ihany koa izy ary ao anatin'ny fianakavian'ny Lauraceae. Boribory lavalava ny raviny ary eo anelanelan'ny Novambra sy Janoary no tena mamelana izy
MOMBAMOMBA AZY
Ny raviny no ampiasaina ka ahodina ao anaty alambika. Ny fofony dia tena manitra ary mahery no maharitra.
Ara-panajana zava-boary tanteraka ny fanodinana ity Ravintsara ity ho ilofotony.
Ny ilofotony azo avy amin'ny Cinnamomum camphora dia ny "terpene oxides (1,8-cineol), terpene alcohols (alpha-terpineol) ary ny terpenes (pinenes)".
ZAVA-TSOA AZO AVY AMINY
Manamafy ny hery fiarovana sady miaro amin'ny aretina mora mifindra ny Ravintsara. Ny sery sy kohaka ary ireo karazana "herpes" isan-karazany dia anisan'ny afaka anampian'ny Ravintsara. Mety ampiasaina ihany koa hanatanjahana tena raha sendra vizaka ara-batana sy ara-tsaina.
FAMPIASA AZY
- Anaovana entona ao an'efi-trano mba anadiovana ny rivotra. Ataovy ao anaty vata fanaovana entona ny Ravintsara in-3-4 mitete ary ampio rano kely.
- Raha sendra havizanana be dia asio ilofotny Ravintsara in-3 mitete eo amin'ny tratra. Ataovy ao anaty rano koa raha milona ianao.
- Raha hanorana dia asio ilofotony Ravintsara im-10 mitete ao anaty menaka tsy misy fofona 50ml.
- Raha sendra lelo miandrona dia mievoha ilofotona Ravintsara in-3 na 4 mitete ary ampio rano mahamay ary misalobona ao anatiny mandritra ny 5mn ary miainà amin'ny orona.
- Raha ao anaty sauna dia asio ilofotony Ravintsara in- 3-4 mitete eo ambony vato mahamay ka hidonaka ny fofony.
FITANDREMANA
Araho ny totohevitry ny mpitsabo indrindra raha behovoka na ho ana zaza ny ampiasana azy.
Tsy manolo taratasin'ny dokotera ity fa tsara ny manatona azy ireny raha te hahazo toromarika momba ny tenanao sy ny fahasalamanao manokana. Naturemadagascar dia tsy afaka hotazomina ho tompon'andraikitra amin'ny fitsaboanao tena raha sendra be loatra ny nampiasainao ka nahitana olana fa fahalalana amin'ny ankapobeny no zaraina eto.