Ny tamotamo izay mitondra ny anarana siantifika Curcuma longa dia ao anatin;ny fianakavian'ny Zingiberaceae.
Fantatra noho ny tsiony malefaka sy lokony mavo tena mahery ny tamotamo. Malaza ihany koa noho ireo zava-tsoa maro azo avy aminy. Fampiasa raha mahandro sakafo ary amin'ny fitsaboana araka ny Ayurveda ihany koa izy.
MOMBAMOMBA AZY
- Manampy manala fivontosana
- Mampitàna ny vatana
- Manatsora rà
- Manamafy ny hery fiarovan'ny vatana
FAMPIASA AZY
- Atao fangarony amin'ny fanaovana mofomamy isan-karazany, vary, paty, legioma sy voamaina ary saosy.
- Arotsahy amin'ny faraparan'ny fandrahoana ny sakafo izy mba hitazonana tsara ny fofony.
- Rehefa mampiasa tamotamo ao anaty skafo masira dia asio voatsiperifery izay manampy azy hijanona ao anatin'ny vatana.
- Raha manao sakafo mamimamy dia ampio sakamalaho kely ny tamotamo mba hitazomana kokoa ny tamotamo ao anaty vatana.
- Ny bromolinina izay ao anaty mananasy ihany koa dia manampy mitazona azy ao anaty vatana.
- Tsara indrindra raha hanao "golden milk" ianao. Asio 1 sotrokely tamotamo vovony sy 1/2 sotrokelina sakamalaho vovony ao anaty kaopy lehibe. Tapohy rononona soja tena mafana ohatra ary hamamiho araka izay itiavanao azy.