Ny Kombava dia ao anatin'ny fianakavian'ny voasarimakirana ary antsoina amin'ny anarana siantifika Citrus Hystrix.
Azo avy amin'ny fanodinana ny hodiny ao anaty alambika izy ity. Manitra voninkazo ary mamerovero ny fofony.
MOMBAMOMBA AZY
- Manampy amin'ny fivontosana na raha sendra hozatra mangotsoka
- Manamoy amin'ny aretin'ny vanin-taolana mangotsoka
- Manampy amin'ny fanalàna havizanana
- Manampy ny fandevonan-kanina ary manadio ny aty
- Manamanitra ny sakafo rehetra
FAMPIASANA AZY
- Ho an'ny menaka fanorana: raraho 5 tete ana ilofotony Kombava ao anaty menaka tsy misy fofona 100ml
- Raha sendra tebiteby na tsy mahita tory dia asio 1 tete ana ilofotony kombava eo amin'ny taho-tànana anaty
- Ho an'ny fikolokoloina volo: asio 2 tete ana ilofotony kombava ny savony fanasana loha
- Raha hanamanitra efitra iray dia asio 4-5 tete ana ilofotony kombava ao anaty vata fanaovana entona
- Hevoka: 3 tete ana ilofotony anaty rano iray vilany
- Rehefa mahandro: asio 4 tete ana ilofotony ao anaty sakafo ho an'olona 5
FAMPITANDREMANA
Tsy tsara ampiasaina ho an'ny vehivavy behovoka latsaky ny 5 volana sy ireo zaza tsy ampy 3 taona